Blaogin'i damara

Jolay 30, 2018

Inona moa ny Aretina ?

Filed under: Uncategorized — damaRa damaRa @ 9:08 am

Raha adika teny baiko dia « maladie » izany hoe atao dika petatoko le mal à dit !

Maro no mihevitra sy mandray an-tendrony ny aretina ho sazy na mihevitra mihintsy fa kapok’ilay Mpahary no antom-pisiany.

Maro karazana , ary tsy hita ho tanisaina ireo aretina maningotra ny Ain-dra-Olom-belona ankehitriny , misy koa ireo lazaina fa tsy ahitana fanafany !

Samy manana izay fiheverany azy isika tsirairay ! Sambatra ianao ary hisaory ilay Mpahary Avo Indrindra raha salama tsy farofy ianao an-kehitriny izao.

Araka ny fomba fiainana ?yurveda anefa dia fanomezana ny “aretina” tena mahavariana satria mifanohitra amin’izay nahazatra an-tsika !

Tsy tonga ho azy ny “aretina” na koa kisendrasendra akory , misy lafin-javatra maro no antony ary ny hiverenana ao amin’ny “fahasalamana” no antony.

Hoy ny ntaolo razan-tsika “ Ny fahasalamana no voaloan-karena”

Mandritra ny fivanihanana eto an-tany dia tsy afaka misaraka ireto :

  • Fanahy (esprit)
  • Saina (âme)
  • Vatana (corps)

Mety ho marary ny sokajy iray amin’izy ireo , izany hoe : mety “marary” vatana fa salama saina sy fanahy

Mety ho marary saina fa salama vatana sy fanahy …

Ny aretina dia tsy zavatra tonga tampoka na niforona vetivety akory , fa tranga miseho nohon’ny an-tonjavatra maro isan-tsokajiny

Metitika dia nohon’ny tsy fihenoina ny fambara hasehon’ny vatana no teny fian-tomboany !

 

Teny fanolorana

Filed under: Uncategorized — damaRa damaRa @ 8:32 am

Ny tonga tsy miarahaba tokoa hono naman’ny tezitra ary ny lasa tsy manao veloma naman’ny sosotra ka izany indrindra no hiarabako anareo izay tonga mitsidika eto anio. Ka ny arahaba atolotro ho anareo dia ataoko toy ilay masoandro be lohataona ka hahenika ny isam-baravarana sy isan-tokonana, ataoko toy ny rivotra mifofofofo ka ny lehibe voakasikasika, ny kely voakitikitika koa arahaba manembana tompokolahy, arahaba manembana tompokovavy.

Ity takelaka ity dia natokana indrindra hiresahina manokana mikasina ny fahasalamana sy ny fitsaboana Ayurvédà

Get a free blog at WordPress.com