Inona moa ny Aretina ?
Raha adika teny baiko dia « maladie » izany hoe atao dika petatoko le mal à dit !
Maro no mihevitra sy mandray an-tendrony ny aretina ho sazy na mihevitra mihintsy fa kapok’ilay Mpahary no antom-pisiany.
Maro karazana , ary tsy hita ho tanisaina ireo aretina maningotra ny Ain-dra-Olom-belona ankehitriny , misy koa ireo lazaina fa tsy ahitana fanafany !
Samy manana izay fiheverany azy isika tsirairay ! Sambatra ianao ary hisaory ilay Mpahary Avo Indrindra raha salama tsy farofy ianao an-kehitriny izao.
Araka ny fomba fiainana ?yurveda anefa dia fanomezana ny “aretina” tena mahavariana satria mifanohitra amin’izay nahazatra an-tsika !
Tsy tonga ho azy ny “aretina” na koa kisendrasendra akory , misy lafin-javatra maro no antony ary ny hiverenana ao amin’ny “fahasalamana” no antony.
Hoy ny ntaolo razan-tsika “ Ny fahasalamana no voaloan-karena”
Mandritra ny fivanihanana eto an-tany dia tsy afaka misaraka ireto :
- Fanahy (esprit)
- Saina (âme)
- Vatana (corps)
Mety ho marary ny sokajy iray amin’izy ireo , izany hoe : mety “marary” vatana fa salama saina sy fanahy
Mety ho marary saina fa salama vatana sy fanahy …
Ny aretina dia tsy zavatra tonga tampoka na niforona vetivety akory , fa tranga miseho nohon’ny an-tonjavatra maro isan-tsokajiny
Metitika dia nohon’ny tsy fihenoina ny fambara hasehon’ny vatana no teny fian-tomboany !