Blaogin'i damara

Jolay 30, 2018

Inona moa ny Aretina ?

Filed under: Uncategorized — damaRa damaRa @ 9:08 am

Raha adika teny baiko dia « maladie » izany hoe atao dika petatoko le mal à dit !

Maro no mihevitra sy mandray an-tendrony ny aretina ho sazy na mihevitra mihintsy fa kapok’ilay Mpahary no antom-pisiany.

Maro karazana , ary tsy hita ho tanisaina ireo aretina maningotra ny Ain-dra-Olom-belona ankehitriny , misy koa ireo lazaina fa tsy ahitana fanafany !

Samy manana izay fiheverany azy isika tsirairay ! Sambatra ianao ary hisaory ilay Mpahary Avo Indrindra raha salama tsy farofy ianao an-kehitriny izao.

Araka ny fomba fiainana ?yurveda anefa dia fanomezana ny “aretina” tena mahavariana satria mifanohitra amin’izay nahazatra an-tsika !

Tsy tonga ho azy ny “aretina” na koa kisendrasendra akory , misy lafin-javatra maro no antony ary ny hiverenana ao amin’ny “fahasalamana” no antony.

Hoy ny ntaolo razan-tsika “ Ny fahasalamana no voaloan-karena”

Mandritra ny fivanihanana eto an-tany dia tsy afaka misaraka ireto :

  • Fanahy (esprit)
  • Saina (âme)
  • Vatana (corps)

Mety ho marary ny sokajy iray amin’izy ireo , izany hoe : mety “marary” vatana fa salama saina sy fanahy

Mety ho marary saina fa salama vatana sy fanahy …

Ny aretina dia tsy zavatra tonga tampoka na niforona vetivety akory , fa tranga miseho nohon’ny an-tonjavatra maro isan-tsokajiny

Metitika dia nohon’ny tsy fihenoina ny fambara hasehon’ny vatana no teny fian-tomboany !

 

96 Comments »